4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Vol2. hampandresy anao - Ny Antsa Fitiavana

Reférence :

(I Jao 5:4-)

       “ Iza moa no maharesy izao tontolo izao, afa-tsy izay mino fa Jesosy no Zanak’Andriaùanitra”

    

--------------------------------------------------------------------

  

1. Mahalasa saina ahy tokoa ny mandinika eto izao

Fanenjehana no saininy, fihantsiana no ambarany

Nefa hoe mpanara-dia an’I Kristy

Samy maka ho azy avokoa, izany ve no nampianarin’i Jesoa

Fa izaho te hitaona anao, Mba hiova hatrizao

Tiavo re ny namanao



JESOA NAHAFOY NY AINY HO ANAO

IZY DIA MBOLA EO FA TSY MANDAO

NY LALANY ARAHO, MINOA DIENY IZAO(FA)

IZY HAMPANDRESY ANAO



2. Aoka tsy ho variana sy afa-po ka hiala sasatra eto an-tany

Mbola maro ireo ‘zay tsy mifoha

Na ny eto na any an-kafa koa

Hanadinana anao ny amin’izany

N’inona finoana misy anao, tokana ny tarigetra dia izao:

Jesoa : io no Anarana iray niombonantsika hatramin’izay

Io no torina aoka ho sahy



Efa vonona any ny tambin’ny asanao

Lay fifalian-tsy ho lany, dia paradisa vaovao



Andeha hifampitantana

Ka ny ho tody ao, izay no tanjona

Ka na sedraina mafy koa, na inona hanjo

Haneho firaisam-po



JESOA NAHAFOY NY AINY HO ANAO (SATRIA TIANY IANAO)

IZY DIA MBOLA EO FA TSY MANDAO

NY LALANY ARAHO, MINOA DIENY IZAO (FA)

IZY HAMPANDRESY ANAO(MINOA DIENY IZAO)





Tonony sy Feony : RAKOTONANAHARY Fanomezantsoa Haritiana

(oct 2005)

Partager vol2. hampandresy anao

Commenter vol2. hampandresy anao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ny Antsa Fitiavana

Suite